Maniry Mafy Aho (Fihirana FFPM 107) - Mix Njakatiana & Hobio

  • 14 years ago
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16

Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô
Hialoka eo ambany hazo fijalianao
Tsy misy toeran-kafa re izay tena mamiko
Ny hazo fijalianao no fiarovako

Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô fa afa-keloka !

Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako hohazavain'ny tavanao
Ataoko fatiantoka ny zava-mora lo
Ny hazo fijalianao no tombon-dahiko !