Ny sakelidalana - manimanina

  • il y a 15 ans
Manimanina : Ny tarika sakelidalana

E manimanina aho izany
Mahatsiaro reo havako lavitra any
Ikaky sy Ineny izay nilaozana
Sy reo sakaiza nilalaovana
Voatsiahy avokoa ireo taloha
Ka sento no sisa mamohafoha
Mitoetra irery aty am-pita ô
Ka ny maso foana no apitrapitra

Volana iry ô mahita ny any
Ity re ny hafatro ento ho any
Mijaly izy hoe fa olon-drery
Miolonolona tsy misy mpijery
Koa Dia veloma hono hoe
Ka mba tsenao hono izy re
Refa tonga ilay andro zay hiverenany
Ka hodiany am’ilay salemany

E manimanina aho izany
Mahatsiaro reo havako lavitra any
Ikaky sy Ineny izay nilaozana
Sy reo sakaiza nilalaovana
Voatsiahy avokoa ireo taloha
Ka sento no sisa mamohafoha
Mitoetra irery aty am-pita ô
Ka ny maso foana no apitrapitra

Ka ny maso foana no apitrapitra